Fitahiana ho an'ny mino
18 July 2021

Fitahiana ho an'ny mino

Fiangonan'Andriamanitra Miray
About

Jehovah Andriamanitra Ray dia manome teny fikasana feno fitahiana ho an'izay mitandrina ny didn'Andriamanitra. Mifanohitra amin"izany kosa dia hahazo ozona izay rehetra tsy mihaino sy tsy mitandrina ny Tenin'Andriamanitra. Andeha hojerentsika ny momba izany fitahiana izany.


« [Ny soa izay ho valin'ny fanarahana an'i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa] Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; » (Deotoronomia 28:1)


« ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao » (Deotoronomia 28:2)


« Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha. » (Deotoronomia 28:3)


« Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao. » (Deotoronomia 28:4)


« Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. » (Deotoronomia 28:5)


« Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka. » (Deotoronomia 28:6)


« Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. » (Deotoronomia 28:7)


« Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. » (Deotoronomia 28:8)


« Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany. » (Deotoronomia 28:9)


« Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy. » (Deotoronomia 28:10)


« Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao. » (Deotoronomia 28:11)


« Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra. » (Deotoronomia 28:12)


« Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy. » (Deotoronomia 28:13)


« Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy. » (Deotoronomia 28:14)