Fanoharana momba ny farantsa folo sy ny Fanjakan'Andriamanitra
18 July 2021

Fanoharana momba ny farantsa folo sy ny Fanjakan'Andriamanitra

Fiangonan'Andriamanitra Miray
About

Jesosy Kristy dia nanao fanoharana maro momba ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy, ary anisan'izany ny fanoharana momba ilay andriandahy nandeha nivahiny tany an-tany lavitra mba haka fahefana hanjaka, dia niverina. Inona no hevitry ny fanoharana? Inona no andrasan'ny Tompo amintsika?


« Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 19:11)


« Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina. » (Lioka 19:12)


« Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa* folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko. [*Gr. mina = drakma = tokony ho farantsa 15] » (Lioka 19:13)


« Fa ny vahoakany* nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan'iny lehilahy iny izahay.[*Na: vahoaka namany] » (Lioka 19:14)


« Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin'ny fandrantoana. » (Lioka 19:15)


« Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo. » (Lioka 19:16)


« Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo. » (Lioka 19:17)


« Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy. » (Lioka 19:18)


« Ary hoy koa izy tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa ianao. » (Lioka 19:19)


« Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara. » (Lioka 19:20)


« Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao. » (Lioka 19:21)


« Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko; » (Lioka 19:22)


« koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany? » (Lioka 19:23)


« Ary hoy izy tamin'izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo » (Lioka 19:24)


« (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.) » (Lioka 19:25)


« Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. » (Lioka 19:26)


« Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento aty , ka vonoy eto anatrehako. » (Lioka 19:27)