Click this button on your phone to subscribe to your favorite
stations
Radio Batista Biblika
Religious
ANTANANARIVO, MG
FrenchMalagasyEnglish (U.S.)
Ity webradio izay nomena ny anarana hoe Radio Batista Biblika ity dia vokatra novokarin'ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara. Nokasaina hatao tsangambaton'ny faha-80 taona (taona 2012), saingy angamba izao no fotoanan'Andriamanitra dia izao vao velona izy.
Andriamanitra homba sy hitantana ireo mpanompony miasa amin'ity sehatra ity (I Korintiana 15:58).
Ity radio ity dia mikendry indra ny mba hanan'ireo mpino fiainana mifototra amin'i Kristy (Christocentrique) ka nahatonga ny tompon'andraikitra hisafidy ny tenin'Andriamanitra faneva hoe "Mba ho lohany amin'ny zavatra rehetra Kristy... (Kol 1:18b)".
Mirary anao hiaino finaritra ary tena hanovo fahalalana sy fandrosoana amin'ny fanarahana sy ny fankatoavana an'Andriamanitra.