Malgache Mérina - "Les Deux Routes".mp3 / Malagasy Merina - "The Two Roads".mp3 //
JAONA 11Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy Na: Tsy mahasakana azy. 6Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. 7Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny. 8Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy. 9Tao ny tena Mazava Na: Izy no tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga amin'izao tontolo izao. 10Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. 11Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. 12Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery Na: anarana, na fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, 13dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra. 14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina Gr. nitoetra an-day tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. 15Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy 16Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana. 17Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 18Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].