Ny Pentekosta dia fantatra amin'ny hoe fetin'ny voaloham-bokatra, ary hanaovana fotoam-pivavahana ho an'i Jehovah io fotoana io.
« Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. » (Levitikosy 23:15)
« Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray. » (Levitikosy 23:16)
« Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany. » (Levitikosy 23:17)
« Ary manatera miaraka amin'ny mofo zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 23:18)
« Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak'ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana. » (Levitikosy 23:19)
« Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin'ny mofon'ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah mbamin'ny zanak'ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho an'i Jehovah ho anjaran'ny mpisorona. » (Levitikosy 23:20)
« Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra. » (Levitikosy 23:21)