Tenin'Andriamanitra :
Nomery 11:16-29, Jaona 21:15-19, 1 Korintiana 12:1-14
Andriamanitra dia manome ny Fanahiny ho an'ny olona izay irahiny hanao ny asany. Tamin'ny andron'i Mosesy dia nisy 70 lahy nomena Fanahy Masina ary naminany ireo. Mosesy dia naniry ny hananan'ny olona rehetra ny Fanahin'Andriamanitra mba hahatonga azy ireo hatahotra an'Andriamanitra.
Jesosy Kristy koa dia naniraka 70 lahy hanao ny asan'Andriamanitra, dia ny hitory ny Filazantsara. Jesosy Kristy koa dia maniraka antsika hitory ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny olona rehetra mba ho vavolombelona aminy. Atao amin'ny finoana ny asa ary tsy tokony himonomonona na ho kivy na dia tsy mihaino aza ny olona.
Ny Fanahy Masina dia manao batisa antsika ho ao amin'ny tenan'i Kristy; izany hoe, mametraka antsika ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra -tenan'i Kristy) ny Fanahy Masina. Kristy no lohan'ny tena na lohan'ny fiangonana.